Ampidino

Ahoana no hanesorana ny rindranasa

Tena mora ny manala ny rindranasa, tahaka ny fanesorana rindranasa Android hafa rehetra. Tsindrio ela fotsiny ny kisary ary safidio ny «Esory». Mora dia mora!

Fanesorana

Azonao esorina toy ny rindranasa Android hafa rehetra ity rindranasa ity. Tsindrio ela fotsiny ny kisary ary safidio ny fanesorana.

Nahoana aho no tsy afaka manesotra ny rindranasa?

Rehefa misy kaontin'ny mpampiasa maromaro ao amin'ny fitaovana, ary misy mpampiasa iray mametraka ny rindranasa, dia voapetraka ho an'ny mpampiasa rehetra izy. Indraindray anefa tsy afaka manesotra na mametraka azy indray avy amin'ny kaontinao ianao, satria mbola ao amin'ny mpampiasa hafa izy.
Misy fomba roa hamahana izany olana izany. Azonao andramana izay mety aminao:

  1. Midira ao amin'ny kaontin'io mpampiasa io ary esory ao ny rindranasa.
  2. Esory ho an'ny mpampiasa rehetra (tsy maintsy mpampiasa mpitantana ianao). Mankanesa any amin'ny Fandrindrana > Rindranasa, tadiavo ary sokafy ny Mombamomba ny rindranasa. Avy eo, sokafy ny menio fanampiny (teboka 3 mitsangana) ary safidio ny Esory ho an'ny mpampiasa rehetra.

Fiteny